Trondro

Ny trondro dia karazana hazandrano rakotra kira, ary ny fivoy no ihetsehany ao anaty rano, biby manana hazon-damosina velona anaty rano ary miaina amin' ny alalan' ny sagoaga. Izy ireo dia efa nisy nanomboka tamin' ny tenatenan' ny Vanim-potoana Kambrianina. Manana ra mangatsiaka ny ankamaroan' ny kazaran-trondro.
Ny trondro dia "karazana hazandrano somary fisapisaka, ny tenany rakotra kira masaisay ary manam-pitaovana ahafahany mihetsika ao anaty rano: vombony iray ao an-damosiny, fivoy milaha-droa eo ambany tratrany sy ambany kibony, fivoy iray indray ao am-poto-kibony, ary ny rambony, izay mikapoka miankavia sy miankavanana rehefa mitsoriaka izy; misy karazany roa ny trondro: ny trondron-dranomamy sy ny trondron-dranomasina; manatody ny trondro amin' ny fararano, izay foy amin' ny voalohandohan' ny ririnina. Anisan' ny tsara sy matsiro ny trondro; laokandrano, laoka"[1]. Ny trondro dia misy azy an-dranomamy sy an-dranomasina. Matetika afangaron' ny olona ny hevitry ny teny hoe trondro sy hazandrano, nefa ny hoe hazandrano dia "anarana iraisan' ny biby fanjono"[2].
Anisan' ny atao hoe trondro ny karazana ao amin' ny Petromyzontiformes (indrindra any amin' ny faritra manana toetany antonony any amin' ny ila-bolantany avaratra, atao amin' ny teny frantsay hoe lamproie), ny Chondrichthyes (ahitana indrindra ny fay sy ny antsantsa), ny Actinopterygii (ny trondro tena fantatra indrindra: misy kirany sy vombony), ny Sarcopterygii (mitsinjara ho Ceratodontimorpha sy Actinistia) ary indraindray koa ny On y associe parfois les Myxiniformes.

Karazan-trondro
[hanova | hanova ny fango]Indreto misy karazana trondro:[3][4][5][6]
- gogo: Arius spp.
- mahalogy: Caesio spp.
- tsenaby: Cheilio inermis
- lemeleme: Coris formosa
- lanora: Elagatis bipinnulata
- alovo: Epinephelus fasciatus, Epinephelus coeruleopunctatus
- angoa, vohy: Euthynnus affinis
- tserakantsiva: Fistularia petimba
- ambariake: Gerres oyena
- soavahindriaka: Hippocampus cf. borboniensis
- ndwaro: Istiophorus platypterus
- fiambondis (?): Labroides dimidiatus
- tapaporoha: Lethrinus harak
- ambitsy: Lethrinus nebulosus
- romanjia: Lethrinus variegatus
- tsivaravana: Lutjanus bohar
- amposama: Lutjanus fulviflamma
- fiamasika: Lutjanus kasmira
- ndwaro: Makaira indica
- kipela, talatala: Monodactylus argenteus
- amgelika: Monotaxis grandoculis
- dangiara, filao papango: Platax orbicularis
- fiandolo, lafalovo: Plotosus lineatus
- bodoloha: Pseudanthias squamipinnis
- lemilemy: Pseudochromis dutoiti
- sabonto: Rastrelliger kanagurta
- soroboa: Rhynchobatus djiddensis
- maro taobana: Sardinella albella
- lamatra, talafeta: Scomberomorus commerson
- lamatra: Scomberomorus plurilineatus
- akihoviko: Sphyrna spp.
- drihy, tsarabora: Terapon jarbua
- lemeleme: Thalassoma hebraicum
- sampramale, vivano: Variola louti
- fiam'akoho: Zanclus cornutus
- akiho: Selachimorpha
- amalona: Anguillidae
- tsivio kautsiva: Aulostomidae
- fia lomotra: Centriscidae
- fiau akoho: Chaetodontidae
- Sardinina: Sardina pilchardus
- tove: Engraulidae
- hamby: Echeneidae
- tabololo: Gobiidae
- amgarera: Haemulidae
- kifalootse: Kyphosidae
- lily: Leiognathidae
- torovoke: Mugilidae
- fiantsomotsa: Mullidae
- volomboto: Pinguipedidae
- toho, tohompase: Platycephalidae
- amboramasaka: Siganidae
- fia lomotra: Solenostomidae
- ariloha: Sparidae
- botava: Tetraodontidae
Karazana trondro sasany omena amin' ny anarany ara-tsiansa
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny karazana trondro sasany omena amin' ny anarany ara-tsiansa: Anguilla bicolor, Anguilla marmorata, Anguilla marmorata, Anguilla mossambica, Aprion virescens, Arius madagascariensis, Bedotia geayi, Bedotia madagascariensis, Caranx ignobilis, Chaetodon madagascariensis, Chanos chanos, Chelon macrolepis, Istiophorus platypterus, Latimeria chalumnae, Liza macrolepis, Mobula birostris, Moolgarda cunnesius, Moolgarda seheli, Mugil cephalus, Pachypanchax arnoulti, Pachypanchax omalonotus, Pachypanchax sakalava, Pachypanchax sparksorum, Paratilapia polleni, Paretroplus dambabe, Paretroplus damii, Paretroplus kieneri, Paretroplus maculatus, Paretroplus menarambo, Paretroplus poliactis, Paretroplus polyactis, Ptychochromis grandidieri, Ptychochromis oligacanthus, Rhincodon typus, Sphyrna lewini, Stegostoma tigrinum, Thunnus albacares.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Rajemisa-Raolison Régis, "Trondro" ao amin' ny Rakibolana malagasy, Editions Ambozontany, Analamahitsy, Antananarivo, 2003
- ↑ "Hazandrano" ao amin' ny Voambolana malagasy-malagasy (frantsay), 1986. Service de la Logistique Pédagogique / Ministère de l'Enseignement Secondaire et de l'éducation de Base, Antananarivo.
- ↑ Blench, Roger. Notes on Malagasy fish names.
- ↑ Bauchot, M-L. & G. Bianchi 1984. Guide de poisons commerciaux de Madagascar (espèces marines et d’eaux saumâtres). Rome : FAO.
- ↑ Pellegrin, M. Jacques 1933. Les poissons des eaux douces de Madagascar et des iles voisines (Comores, Seychelles, Mascareignes). Tananarive : G. Pitot et Cie.
- ↑ Richmond, M.D. 2002. A field guide to the seashores of Eastern Africa and the Western Indian Ocean islands (2nd ed). Milan: SIDA/SAREC - University of Dar es Salaam.
