Ila bolantany andrefana
Fiseho

Ny ila bolantany andrefana dia ny antsasaky ny Tany ao andrefan' ny laharan-jarahasin' i Greenwich ka hatramin' ny laharan-jarahasina faha-180. Izy io dia mandrakotra an' i Amerika manontolo, ny Ranomasimbe Atlantika manontolo ary ny ampahany be amin' ny Ranomasimbe Pasifika. Ankoatra izany dia mandrakotra ny faritra farany andrefana amin' i Eorôpa sy ny faritra farany andrefana amin' i Afrika ary koa ny ampahany amin' i Antarktika izy io. Soratina amin' ny isa miiba na amin' ny hoe "Andrefana" na "W" na "O" ny laharan-jarahasina; ohatra: "-65°" na "65° W".