Fifadian-kanina

Ny fifadian-kanina dia tsy fanendrena sakafo an-tsitrapo na tsia, izay mety tsy misy fisotroana zava-pisotro koa na tsia. Fahita ao amin'ny fomban'ny fivavahana sasany (karemy ao amin'ny kristianisma, ramadany ao amin'ny finoana silamo, sy ny hafa toy ny an'ny jodaisma manana ny Yom) ny fifadian-kanina. Amin'ny fomba fijery ara-tsiansa dia manomboka eo amin'ny fahaenina ora aorian'ny sakafo farany ny fifadian-kanina. Maro ireo fanandramana natao amin'ny izay mampiseho fa ny fampihenany sakafo hanina tsy tafahoatra loatra dia manalava ny andro iainan'ny karazam-biby maro toy ny totozy sy ny voalavo ary ny rajako malata. Raha tanteraha anaty fe-potoana fohy ny fifadian-kanina mitsitapatapaka dia ahafahana mampihana ny lanja sy ny tavy.
Maro ihany koa ny mahatonga ny olona mifady hanina, mety ho antony ara-pomban-drazana, ara-pahasalamana, ara-pivavahana.[1]
Misy ihany koa ny voalazan'ny baiboly mikasika ny fifadian-kanina, samy manana ny fijeriny moa ny fivavahana tsirairay avy mahakasika izany fifadian-kanina izany.[2]